- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversLibanona Tolagnaro : Mpimasin-dahalo voasambotry ny pôlisy

Libanona Tolagnaro : Mpimasin-dahalo voasambotry ny pôlisy

Ingahy Dadarabe, mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo.

Lehilahy iray voalaza fa mpilalao ody gasy no voasambotry ny pôlisy tany amin’iny faritra Anosy iny, ny sabotsy teo. Voalaza sy voarohirohy tamin’ny famatsiana ody gasy ireo dahalo any amin’iny faritra iny ity rangahy ity.

Tsy ny hakanton’ny tora-pasika sy ny zavaboary ihany akory no hita any Libanona, distrikan’i Tolagnaro, faritra Anosy iny. Tany amin’izany toerana izany ihany koa mantsy no nisamboran’ny pôlisy avy ao amin’ny fitaleavam-paritra Anosy, lehilahy iray 41 taona, voalaza ho mpiray tsikombakomba amin’ireo dahalo amin’ny fanomezana azy ireo ody gasy sy mohara. Raha ny fanazavàna azo dia loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo, izay nampilaza tany amin’ireo mpitandro filaminana no nahafahan’ireto mpanao fanadihadiana nidina ifotony nanara-maso ity lehilahy ity. Rehefa nandeha ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana rehetra dia niroso avy hatrany amin’ny fisamborana azy ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto. Raha ny vaovao azo hatrany dia mbola tra-tehaka tao an-tokantranony ny mohara sy ody gasy maromaro, izay heverina fa hamatsiany ireo olon-dratsy mpangalatra omby sy jiolahy mpanao fanafihana any an-toerana. Ankoatra ireto ody gasy ireto moa dia mbola nahitàna bokin’omby tsy mazava ihany koa tany aminy.  Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria ity lehilahy ity, mba hanaovana famotorana. Marihana tokoa mantsy fa anisan’ny mampirongatra tanteraka ity resaka asan-dahalo sy tsy fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny ity amin’ireo faritra maro eto amintsika ny fitokian’ireo olon-dratsy amin’ny ody gasy tazominy sy omen’ireo mpimasiny azy. Ody gasy, izay misy karazany maromaro, toy ny ody bala, ny « bemanaiky », ny « masobetsimahita » sy ny maro isan-karazany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici