Isan’ny hetsika goavana ataon’ny polisim-pirenena ao Toamasina tato ho ato, ny famongorana ireo mpanendaka izay mahazo vahana tanteraka ankehitriny. Mba hanatrarana ireo mpanendaka eo am-panaovana ny asa ratsiny, dia misy amin’ireo mpitandro ny filaminana ireo no manao fanamiana sivily mihitsy, ary mameno ireo faritra kilasian’ny polisy ho “mena” amin’ny fanendahana.
Ny alakamisy 17 martsa teo dia voasambotry ny polisy ambodiomby teo am-panendahana ramatoa hamonjy fodiana tokony tamin’ny 7 ora sy fahatelony alina, tao Ankirihiry, Ingahy “Lidon”. Araka ny vaovao anefa dia ny antoandron’io alakamisy io no niakatra fitsarana ity mpanendaka ity, ka noho ny tsy fahampian’ny fanenjehana azy dia nomen’ny fitsarana famotsorana vonjimaika izy; nefa izao mbola tratra namerin-keloka izao tamin’ny resaka fanendaha ihany. Ny alakamisy io ihany koa, tokony ho tamin’ny 8 ora latsaka dimy alina, dia tratran’ny polisy mbola teo am-panendahana mpiasa hamonjy fodiana tao Ambolomadinika niaraka tamin’ny fitaovana fampiasany Ingahy “Gino”. Ny alatsinainy 14 martsa kosa anefa dia efa tratran’ny polisy tao Ambolomadinika ihany koa ny namany, izay nanendaka ramatoa hamonjy fodiana tao anaty posy ka nahazoany finday sy vola tao anaty poketra, saingy teo am-panendahana ity rangahy tao anaty posy kosa izy no saron’ny polisy, raha namaly ny fanendahana azy ity raim-pianakaviana ary sendra nandalo ihany koa ny polisy mpanao fisafoana amin’ny alina.
Lalana mihazo an’Ambolomadika hatrany Mangarivotra, Mangarivotra hatrany Ambohijafy mandalo ny tsenan’Ankirihiry, Tanambao V mivoaka ny lalana Tanamakoa, Morafeno mihazo ny Valpinson, ary Tanambao V mankany Ankirihiry, isan’ny faritra kilasian’ny mpitandro filaminana ho “mena” amin’ny fanendahana. Koa isan’ny arahan’izy ireo maso fatratra ary ahatrarana mpanendaka saika isan’andro mandritra ny hetsika fahalemana ataon’ny polisim-pirenena…
Malala Didier