Mahery vaika tokoa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’iny faritra Betsiboka iny. Zandary mitondra ny laharam-boninahitra Lietana izay lefitry kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Maevatanàna sy sivily iray indray no namoy ny ainy omaly maraina raha nifanandrina tamin’ny andian-dahalo tany an-toerana. Io maraina io tokony tamin’ny 5 ora dia nisy dahalo mirongo fiadiana nanafika ka nangalatra omby tao amin’ny tanànan’i Sarodrano fokontany Marofototra, kaominina Maevatanana-II, distrika Maevatanana.
Vao nadre izany ny zandary izay notarihan’ity Manamboninahitra voalaza etsy ambony ity dia nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ka nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona. Ny mitaovovonana dia tratra ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana tao Antanifotsy, fokontany Mahatsinjo, ao amin’ny kaominina Bemokotra. Vokany, Namoy ny ainy ny Mpanaradia roa dia Lietnà Fabriizay nitarika sy sivily iray; misy fokonolona nanaradia miisa roa ihany koa naratra voatifitra. Dahalo roa no lavo teo an-toerana raha maro ny naratra. Na izany aza anefa dia tafaverina avokoa ireo omby nalain dahalo. Efa tonga hanampy tosika any an-toerana ireo zandary maro avy aty Maevatanàna; raha efa manao hetsika hazalambo an’ireo jiolahy avokoa ny manodidina sy ny fokonolona. Nentina namonjy fitsaboana haingana ireo Mpanaradia naratra. Tsiahivina fa avy amin’ny andiany faha-43 Akademia miaramila ity manamboninahahitra lavo ity.
T.M