- Publicité -
jeudi, janvier 8, 2026
AccueilFaits-DiversLigin’ny baolina kitra Vakinankaratra : Nisokatra ny taom-pilalaovana 2018-2019

Ligin’ny baolina kitra Vakinankaratra : Nisokatra ny taom-pilalaovana 2018-2019

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’ny baolina kitra eto Vakinankaratra. Hetsika maro no nentina nanamarihana  izany. Isan’izany ny “carnaval” sy ny lalao nifanandrinan’ny FCV sy As Adema  tao amin’ny kianjaben’ny Velôdrome. Nanafana ny hetsika ny tarika Elidiot nampifalifaly ny mponina.  Marihina fa lalao ara piralahina izy io fa tsy ny vokatra akory no tena manan-danja, hoy ny filohan’ny ligy eto Vakinankaratra Fidy Andriantomponera raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Raha ao anatin’ny fahavaratra tanteraka no hanokafana ny taom-pilalaovana dia tsy lamina avy amin’ny ligy izany  fa io no tetiandro napetraky ny FIFA . Araka ny fanazavana dia ny faran’ny volana Febroary izao no avoaka ny lisitr’izay tompondakan’i Vakinankaratra. Fahombiazana kosa no azo amehezana ny taom-pilalaovana 2017-2018, hoy hatrany ny filohan’ny ligy, satria fotoana  ela no tsy nahenaona an’i Vakinankaratra tafiditra anaty efajoro teto Madagasikara, fa teo kosa na lahy na vavy dia samy tafiditra daholo ary io no ezahina tazomina. Tohizana ny ezaka  vita, hampiakarina avo ny lentan’ny baolina kitra sy ny fampiofanana eo amin’ny fomba fitsara.  Izany no fanamby napetraky ny filohan’ny ligy eto Vakinankaratra ho an’ity taom-pilalaovana ity.  Ankoatra izay  ny “coupe de la ligue”n’ny tanora zandriny sy ny vehivavy ary ny fiadiana ny tompon-dakan’i Vakinankaratra. Valo ny klioba handray anjara, ny “section” mandray anjara no mampiantrano ny kianja filalaovana, izay hapetraka ho lalao mandroso ihany fa tsy misy ny lalao miverina. Isan’izany Antsiabe I sy II, Ambatolampy, Betafo ary Faratsiho.

Andry N. 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici