- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversLisi-pifidianana eto Toamasina I : Nihena ho 152.544 ny mpifidy ankehitriny

Lisi-pifidianana eto Toamasina I : Nihena ho 152.544 ny mpifidy ankehitriny

Efa tonga eo anivon’ny CED Atsinanana araka ny vaovao ireo lisi-pifidianana nasiam-panitsiana farany teo. Isan’ny niteraka olana sy fitarainana maro ary fanakianana mavaivay azon’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana indrindra ity resaka lisi-pifidianana ny taona lasa ity, ka nanaovan’izy ireo ezaka goavana ny fanadiovana sy ny fanitsiana azy, tamin’y fiaraha-miasa tamin’ireo filoham-pokontany tamin’ny fanesorana ny maty sy ireo efa nifindra monina ary nampiditra ireo mpifidy vaovao. Raha ho an’ny Distrikan’i Toamasina I dia nahita fihenana izany mpifidy izany taorian’ny fanaovana ny lisi-pifidianana farany teo, satria raha niisa 162.423 ny mpifidy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena, dia tsy nisy afa-tsy 152.544 izany ankehitriny. Raha atao ny kajy dia niisa 32.387 ny mpifidy nesorina raha miisa 22.823 ireo mpifidy vaovao nampidirina, saingy raha natao ny kajy manontolo dia nihena 9.879 ny mpifidy manontolo teto Toamasina renihovitra. Io lisitra io izany no ampiasaina mandritra ny fifidianana izay ho solombavambahoaka ny 27 may ho izao, izay naken’ireo kandida nirotsaka hofidina avokoa, satria efa nanao ny ezaka rehetra ny Ceni sy ny filoham-pokontany nanatsara izany lisitra izany, na hita tamin’ny zava-nisy ihany fa tsy rototra tamin’ny fisoratana anarana ny ankamaroan’ny mpifidy noho ilay zava-nisy nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena izay nahitana lesoka goavana tamin’ny voka-pifidianana nivoaka ka niteraka hakiviana tamin’ny mpifidy maro.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici