Olona marobe no nifametram-panontaniana ary ny niafarany dia nanatona ny manam-pahefana teny an-toerana mba hahafantatra ny marina. “Tsy latsaky ny valopolo ny olona nifamezivezy teto aminay ary nanontany ny misy izany lohan’olona enina natao tao anaty gony izany. Nohazavaina tamin’izy ireo fa tsy misy velively an’izany teto Talatamaty ary heverina fa feo naely fotsiny izany”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Ny olona sasantsasany teo an-toerana indray dia nanizingizina fa tena nisy ilay izy saingy afenimpenina. Vetivety dia nahoraka teo Talatamaty sy ny manodidina ny zava-niseho ary nahaliana ny olona. “Nisy olona nitondra gony, nentiny tao anaty taxi-be. Rehefa avy eo dia nafatratra tao anaty fiara tsy mataho-dàlana. Ramatoa no nitondra ilay gony ary ramatoa hafa koa no tompon’ilay 4X4” raha araka ny fanazavan’ny olon-tsotra izay nilaza ho naharaka ny zava-nisy. Dia tao koa no nanazava fa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay olona nitondra gony raha tsy narovan’ny mpitandro ny filaminana. Toe-javatra izay nolavin’ireto farany ary heverina fa tsaho fotsiny ihany. Tamin’ny herinandro teo dia nandeha koa ny feo fa nisy tranga nitovy tanteraka tamin’ity teny Sabotsy-Namehana. Raha nisy izany dia tsy maintsy nisy ny fianakavian’ny maty nanao fitoriana sy nampahafantatra ny manam-pahefana. Saingy hatreto dia mbola nijanona ho feo fotsiny ihany ny zava-nisy. Ary feo niparitaka faran’izay haingana, toa ny vovoka natsipy…
D.R