Nieren-doza ny tobin’ny Zandary ao Lokomby, Distrikan’i Manakara ny asabotsy teo. Nisy andian’olona tezitra mafy saika hanao amboletra hanao fitsaram-bahoaka handoro ny tobin’ny Zandary, saingy voasakana izany rehefa nanao tifi-danitra ny Zandary nanaparitahana azy ireo. Raha ny vaovao voaray, vono olona nitranga tao Vohitrapanga, tany amin’ny Kaominina Ambalaroka, ny 25 novambra lasa teo no niandohan’ny olana. Voasambotra ny nahavanon-doza ary notànana am-ponja rehefa natolotra ny Fitsarana taorian’ny famotorana azy. Araka ny fomban-tany amin’iny faritra iny anefa, na inona na inona didin’ny Fitsarana dia tsy maintsy manolotra omby ho an’ny fianakavian’ny maty ny ray aman-drenin’ilay nahavanon-doza. Tonga tao Marokorika sy Soamiafana, Kaominina Bekatra, nikaroka ny rain’ilay nahavanon-doza ny Fokonolona avy any Ambalaroka, ny 4 desambra teo, saingy niveri-maina tsy nahita ilay notadiaviny.
Fitsaram-bahoaka. Nentin-katezerana ireto andian’olona ireto, ka nopotehiny sy nodoran’izy ireo ny tranon’ny ray aman-drenin’ilay tovolahy namono olona, ny alakamisy teo. Noho ny fandorana ny tranony, niakatra tao Manakara ilay raim-pianakaviana lasibatra, ary nametraka fitoriana tao amin’ny « Groupe d’Appui à la Police Judiciaire »-n’ny Zandarimaria Vatovavy Fitovinany, ny asabotsy teo. Ny tolakandron’io, naverina nankany Lokomby izy, satria ny Zandary ao no efa mandray an-tànana ny raharaha. Raha vao naheno izany ireo andian’olona avy any Vohitrapanga, dia tonga tao amin’ny « Poste avancé »-n’ny zandary mba haka an’io ray aman-dreniny io hampiharana fitsaram-bahoaka. Nomen’ny zandary alàlana ny solontenan’ireo andian’olona hisava ny birao, saingy tsy nahita na inona na inona. Tsy afa-po tamin’izany ireto andian’olona ireto ka nikasa ny handoro ny biraon’ny zandary. Nandray fepetra ireo zandary niaro ny tobiny; izay faritra mena, ka nanao tifi-danitra nanaparitahana ny olona.
Eric Manitrisa




