Vaky ny lohany, feno mangana ny lamosiny sy ny tratrany. Efa nidina ihany koa ny akanjo ambaniny, hatramin’ny takonenatra aza, raha araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Manaraka izany, feno rà ny fandriany tao amin’ny efitrano izay nipetrahany ao amin’ny Cité an’ny mpianatra ao Ankatso II. Nahatonga ny fianakaviany hametraka fitoriana noho ny vono olona niniana, eny anivon’ny mpitandro ny filaminana izany. Raha araka io loharanom-baovao io dia toy izao ny zava-nitranga : « niaraka tamin’ny ankizy namana sy mpiara-mianatra aminy nikoràna i Lorska ny harivan’ny alatsinainy 20 jolay teo (…) tao amin’ny cité U. Tao amin’ny efitrano iray ao Ankatso II izany no niseho (…) Raha ny fitantaran’ilay tompon-trano izay nampiantrano azy ireo (…) ny misasakalina ka hatramin’ny iray ora maraina teo dia hitan’ireo ankizy nitsirara teny an-tokontany tsy nahatsiaro tena intsony i Lorska (…) nolazain’izy ireo fa efa nampidinina ny ankanjony ambany (hatramin’ny slipo) ary efa saika niala koa ny ankanjo ambony. » Ny fianakaviana ihany no nanazava fa miovaova be avokoa ny resaka ataon’ireo ankizy niara-nifety taminy. Tao no nisy nilaza fa nisotrosotro i Lorska. « Ny tompon’andraikitra tamin’ny fitiliana ny razana anefa dia manamarina ny tsy fisian’ny ‘trace d’alcool’ tao anaty rany. Manaraka izany, ny havan’ny maty dia mahafantatra fa sady tsy misotro no tsy mifoka sigara i Lorska », hoy ny fianakaviany manazava. Raha ny fijerin’ireto farany dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i Lorska, izay namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly ny talata 28 jolay teo rehefa tsy nahatsiaro tena nandritra ny herinandro. Marobe ny ahiahin’izy ireo mahakasika an’izany. Isan’ny fanontaniana napetraky ny fianakavian’i Lorska ny antony tsy nandrenesan’ny manodidina ny mety ho antsoantso vonjy nataon’ilay tanora, raha toa ka noheverina fa nisy olona nikasi-tànana na nifamono taminy, iny toerana iny rahateo dia be olona mpivezivezy. Nahatalanjona azy ireo ihany koa ny antony nahatonga an’i Lorska – avy any amin’ny faritra saingy nandrato fianarana ambony eto an-drenivohitra – hivoaka ny trano amin’ny alim-be kanefa ny akanjo palitaony sy ny téléphone ary ny lakileny dia tavela tao amin’ilay tranony ihany. Manampy ireo fanahiana ireo ny fahitàna ilay fandriana feno rà, izay nahatonga ny fianakaviana nametra-pitoriana noho ny vonoan’olona niniana. Manainga ny mpitandro ny filaminana mpanao fanadihadiana izy ireo mba hijery akaiky ny raharaha.
D.R