Taorian’ny nahafan’i Lova Renée ny fanadinam-panjakana voalohany teo, ny CEPE 2020 teto Toamasina izany, dia noraisin’ny governoran’ny faritra Atsinanana Atoa Rafidison Richard Théodore ny tenany sy ny ray aman-dreniny omaly tolakandro tamin’ny 03ora sy sasany. Tamin’izany no nilazan’ny governoran’ny faritra Atsinanana, fa noho izy ity tena nandray anjara tamin’ny fanentanana ny vahoaka tamin’ny fanajana ny lalam-pahasalamana mikasika ny Covid-19, no antony tena nisaorana azy ; izay niampy ny fahafahany CEPE 2020 ihany koa. Isany niara-niady tamin’ny faritra Atsinanana nandresen’ny faritra ny Covid-19 i Lova Renée, amin’ireo fanentanana ataony amin’ny onjam-peo sy fahitalavi-pirenena saika isan’andro. Nisy ny fanomezana natolotry ny governora azy, teo koa ireo fitaovam-pianarana ho famporosihana azy hanoy ny fianarany, ka ny « ho dokotera na ho mpanao gazety » no faniriany rahatr’izay araka ny nambaran’i Lova Renée ihany. Nomarihany ihany koa, fa kisendrasendra no nahatonga azy nalaza tamin’ny tambajotran-tserasera tamin’ny ady natao tamin’ny Covid-19 ireny ; satria sary nalain-drainy tamin’ny sangisangy nifanaovany tamin’ny rahavaviny no nisy dia lasa nalaza ho azy tao anaty « facebook » dia notohizana fotsiny. Misaotra ny mpankafy azy sy ny vahoaka malagasy nihaino ny hafatra nataony tamin’ny Coronavirus koa anefa i Lova Renée, satria raha tsy nisy izy ireo dia tsy tonga amin’izao lazany izao ny tenany, ary mbola vonona ny hanohy izany hatrany. Nomarihany hatrany, fa tohizo hoy izy ny fanaovana aro tava, ny elanelana 1m, ary ny fanasana tànana amin’ny savony sy rano madio, raha tiantsika ho resy hatramin’ny farany ity Covid-19 ity.
Malala Didier