- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Loza mitatao ho an’ny vahoaka ingahy « Be Sabre » ao...

Toamasina renivohitra : Loza mitatao ho an’ny vahoaka ingahy « Be Sabre » ao Tanamborizano

Io miresaka amin’ny polisy io ilay vehivavy lasibatra.

Velon-taraina ny mponina ao amin’ny fokontany Tanamborizano P/elle 22/33 sy ny P/elle 22/32, fa tena manao izay tiany ingahy « Be Sabre » amin’ny fanendahana sy fandratrana olona ao an-toerana. Hatreto aloha mbola tsy namono olona ity jiolahy mpitondra sabatra ity, fa fandratrana olona hatrany aloha no nataony, izay efa maro no lasibatra.

Araka ny fanazana’ireo vahoaka monina ao Tanamborizano voalaza io, dia vehivavy iray no voakapan’ny sabatra nentin’ity jiolahy ity tao Tanamborizano P/elle 22/33, ka rovitra ny sofiny sy ny fihirifany ary ny lamosiny. Niezaka niantso vonjy ity vehivavy ity saingy vokatry ny tahotra dia tsy sahy nivoaka ny mponina, ka lasan’ilay jiolahy ny poketra teny an-tanan’ity ramatoa ity. Voalaza koa fa nisy lehilahy iray ihany koa ny fotoana nitrangan’ity nahavoa vehivavy iray ity, no voakapan’ny sabatran’ity mpanendaka ity ihany koa ka vaky ny lohany, ary efa nahazo fitsaboana ilay rangahy taorian’izany. Lasa avokoa ny zavatra tsara teny aminy nandritra izany. Tonga ara-potoana ny polisim-pirenena nijery ny raharaha sainga efa lasa nandositra ilay mpanendaka « Be Sabre » vao tong aizy ireo, niezaka nikaroka an’ingahy « Be Sabre » ihany ny polisy fa tsy nisy vokany aloha izany hatreto, saingy mbola mitohy ny fakam-baovao mikasika ity mpanendaka ity ao Tanamborizano ao.

Ankoatra izany dia mpanendaka hafa indray, tsy hay aloha na mifandray tendro amin’ity mpanendaka ao Tanamborizano noho izy ireo fokontany mifanila, fa mitaraina koa ireo vahoaka ao Androranga amin’ny hafitsoka ireo mpanendaka manararaotra lalam-pasika maizina tsy misy jiro. Efa nanao antso avy tamin’ireo manampahefana ny vahoaka mponina manodidina iny lalana miditra ny fasan’ny karana iny fa tena maizina ny lalana amin’ny alina, ka tokony hasiana jiro manazava. Efa maro koa ireo vahoaka voahendaka tamin’izany, fa tsy mbola misy ireo sahy mijoro vavolombelona hatreto noho ny tahotry ny valifaty.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici