- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana

# Malaza Ampitatafika. 4×4 nidona tamin’ny pôtô, olona dimy naratra mafy. Omaly tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo no nitranga ny loza teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Fiara tsy mataho-dalàna iray no nitrongy andrin-jiro ary niafara teny an-tanimbary, teny Malaza Ampitatafika. Olona dimy tao anatin’ilay fiara ity no nitondra fahavoazana avokoa, satria dia naratra ary voatery nalefa haingana teny amin’ny hôpitaly. Raha ny voalazan’ny mpamily an’ity fiara ity dia tratran’ny torimaso fotsy izy. Nisy fahoriana nianjady tamin’ny fianakaviana ny alin’io. Naka fianakaviana teny Arivonimamo ity fiara ary teny an-dalana niverina no tratran’izao loza izao, raha ny fitantarany hatrany. Efa samy tsy misy ahiana avokoa ny toe-pahasalaman’ireo olona naratra ireo.

# Ankazobe. Taxi-brousse roa nifandona, naratra avokoa ireo mpandeha. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faha-4 omaly vao maraim-be. Fiara roa, Mazda sy Sprinter no nifandona tao anaty fiolanana, 121 km tsy hidirana aty Andrenivohitra. Samy nahitana fahasimbana avokoa ny fiara fa ilay kely no potika tanteraka ny lohany. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia samy tsy nisy nifankahita ireto fiara ireto, izay samy hiditra an’io fiolanana io. Naratra avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatin’ireo fiara roa ireo. Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser