- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : 24 ny tranga, 8 ny maty tamin’ity volana ity

Lozam-pifamoivoizana : 24 ny tranga, 8 ny maty tamin’ity volana ity

Niha-nitombo tsy nisy toa izany ny trangan’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ity volana desambra ity, araka ny antontan’isa nomen’ny zandary, indrindra moa fa tamin’ireo lalam-pirenena. Efa tafakatra valo ny maty raha io antontanisa io hatrany, ary tranga manodidina ny 24 no voaray. Teo anatrehan’izany firongatry ny lozam-pifamoivoizana izany dia tsy mitsahatra manentana hatrany ireo tompon’andrakitry ny filaminana, mba hitandreman’ny tsirairay, indrindra fa ireo tsy maintsy handeha lalam-pirenena. Nilaza izy ireo fa tsy handefitra velively ho an’ireo mpamily minia manao antsirambina izany. Ny fandehanana mafy sy ny fahamamoana eo am-pitondrana fiara. Ankoatra izay dia nisy ireo toromarika vitsivitsy nomen’ireo mpitandro filaminana ho an’ireo mpamily. Ao anatin’izany ny fitsirihana ara-teknika mialoha ny fiara alohan’ny handehanana. Ny tsy fandehanana mafy, ny tsy tokony hanaovana taingim-be mihoatra ny tokony ho izy. “Araho antsakany sy andavany ny toromarika eny an-dalana sy ireo mari-pamantarana rehetra. Aza misotro zava-mahamamo na midoroka zava-mahadomelina izay tsy ahafehezana ny familiana. Aza misongona amin’ny tsy fotoanany na amin’ny toerana saropady (fiolanana…); Manatòna toby mpitandro filaminana raha misy ahiana ny fandriam-pahalemana; Manatòna toby fanamboarana fiara raha misy ahiana ara-teknika ny fiaranao; Manatòna tobim-pahasalamana raha misy ahiana ny fahasalaman’ny mpamily na fanaviana vokatry ny valanaretina (…)”. Marihana hatrany, hoy ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena, fa misy hatrany ireo zandary misahana manokana ny lalam-pirenena amin’iny RN2, RN7, ary ny RN34, izay azo antsoina na andro na alina, ankoatra ireo tobin’ny zandary manerana ny Nosy. Izany rehetra izany dia mba hahafahan’ny rehetra manao fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao anaty filaminana.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici