Nanomboka ny zoma hariva ka hatramin’ny omaly alahady, nisehoana lozam-pifamoivoizana ny RN2, RN4 ary ny RN7. Vokany, olona iray maty ary dimy hafa maratra mafy ka mbola tsaboina any amin’ny hôpitaly. Ilay tamin’ny zoma tolakandro niseho teny Ambatomainty Andranomanelatra tamin’ny RN7. Fiara 4X4 ho aty Antananarivo nirimorimo no nivadika teo amin’ny fiolahana iray, tany an-tanimbary no niafarany. Olona enina no tao anatiny. Maratra mafy ny mpamily sy teratany vahiny iray. Soa fa tsy nisy aina nafoy fa ny fiara no simba.
Ny loza faharoa dia izay niseho teny Andakana Ambohidratrimo amin’ny RN4, PK 20 tamin’ny 7 ora hariva. “Camion” ho any Mahitsy no nandona mpandeha tongotra iray. Lahilahy eo amin’ny 45 taona. Naratra mafy ity olona ity tamin’izay ary nezahina nentina teny amin’ny hopitaly Bejofo Mahitsy. Voalaza fa tsy vita teny anefa ny fitsaboana, ka tsy maintsy nalefa taty amin’ny HJRA. Tsy tana anefa ny ainy raha mbola teny an-dàlana.
Fa loza hafa ihany koa no niseho tamin’ny RN2 teo amin’ny PK 47 Manjakandriana tsy lavitra ny gara. Fiara mpitatitra, Mazda avy any Tanambe Alaotra no tapaka familina ary dia tsy voafehy intsony izany ka nifatratra tany amin’ireny “balise” amin’ny sisin-dalana ireny. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina omaly. Vokany, olona telo no fantatra fa maratra mafy, lahy roa sy ankizy iray 14 taona. Tsy maintsy nalefa taty amin’ny HJRA izy ireo hanaraka fitsaboana. Ilay fiara potika tanteraka.
Tao anatin’ny volana roa izay, nisy lozam-pifamoivoizana nandratra sy nahafatesana olona hatrany ny lalam-pirenena eto amintsika. Amin’ny ankapobeny, vokatry ny fandehanana mafy avokoa izany, miampy ny lesoka teknika eo amin’ny fiara.
r.s.