- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana an-dalambe eto Toamasina : Raim-pianakaviana iray maty, nandositra ilay fiara nadona azy

Lozam-pifamoivoizana an-dalambe eto Toamasina : Raim-pianakaviana iray maty, nandositra ilay fiara nadona azy

Tokony ho tamin’ny 9 ora alina, ny alakamisy 14 janoary, teo akaikin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny tahirimbolam-panjakana teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena Toamasina, dia nisy fiara iray nirimorimo mafy avy aty amin’ny “rond point”-ny biraon’ny Sisco Toamasina I hiazo ny moron-dranomasina, tsy nahatana intsony ny familiana, mety ho vokatry ny alikaola, ka nandona raim-pianakaviana iray ho any amoron-dranomasina ihany koa teo an-tsisin-dalana. Avy hatrany dia maty tsy tra-drano ny tenany vao voadoana, ka vao nahita izany ny tao anatin’ilay fiara nandona tonga dia nitsoaka. Niezaka nanenjika ilay fiara ihany ireo mpitandro ny filaminana miandry ny banky foiben’i Madagasikara, sy ireo mpiambina manodidina rehetra teo, fa tsy hita ny nanjavonan’ilay fiara nandona ilay rangahy. Ny azo’ireo mpiambina nanodidina nahita ny tranga natao dia nitondra ilay rangahy maty teny amin’ny hopitaly be. Tamin’ny fotoana nampidirana azy tranom-paty noho ny fahafatesany dia tsy nisy aloha olona nilaza ho fianakaviany naka azy teny, ka manao antso avy ho an’ny rehetra ny hopitaly hampilaza amin’ny havany. Tsy nahitana taratasy nahafantarana azy kosa teny aminy nandritra ny fitondrana azy teny amin’ny hopitaly be ity. Ho an’ny mpitandro ny filaminana kosa, ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra mba hoentina mamantatra ity fiara nandona nahafaty raim-pianakaviana ity, koa tokony hampilaza ny mpitandro filaminana izy ireo raha mahita ilay fiara nitsoaka nandona olona ity. Ankoatra izany dia tena misaritaka tanteraka ny lafiny fifamoivoizana eto an-drenivohitr’i Toamasina amin’izao. Samy manao izay tiany ireo mpamily fiara sasany, tahaka izany ireo cyclo-pousse sy ny tuc-tuc mandeha amin’ny tsy fanajana ny lalan’ny fifamoivoizana. Tafiditra amin’izany koa ireo kamiao miditra an-tanan-dehibe amin’ny ora tsy misy fetrany mazana miteraka fitohanan-dalana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici