Tsy nisy izay tsy nanome tsiny ireo mpitondra posy ny ankamaroan’ny olona teo aloha fa izy ireo no tena olana amin’ny fisiana sy fahamaroan’ny lozam-pifamoivoizana eto Toamasina. Niova anefa ny rasa ankehitriny fa ny fitomboan’ny « Tuc-Tuc » indray izao no tena mitera-doza ary saika isan’andro no itrangan’izany, araka ny fanazavana azo tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Saika olona tsara mpiaro avokoa no tompon’ireo « Tuc-Tuc » miasa eto Toamasina, ao ny mpisolovava, ny mpitsara, ny tale jeneraly na orinasa, ny mpibizina…ary mpitandro ny filaminana. Vokany, saika mpihetraketraka avokoa ireo mpamilin’izy ireo noho izany, misy mihitsy aza lasa mpiray tsikombakomba amina andian-jiolahy ny sasany, ary saika vitavita ho azy eny hatrany izany. Ny faran’ny herinandro teo monja, araka ny fanazavana azo, dia 12 ny loza nateraky ny « Tuc-Tuc ». Saika ireo mpitondra moto sy posy no voadonan’izy ireo tamin’izany. Isan’izany ity niseho tao Morafeno ity izay nianjeran’ity renim-pianakaviana iray izay vaky loha mihitsy noho ny hetraketraky ny mpitondra “Tuc-Tuc”. Toraka izany koa ity raim-pianakaviana nitangina posy nodomin’izy ireo ity ka tapaka hatramin’ny tanany ihany koa. Ankoatra izay, amin’ny firaisana tsikombakomban’ireo mpitondra “Tuc-Tuc” sasany amin’ireo andian-jiolahy kosa, dia ireo mpandeha mihazo ny lalam-baovao “Relax – Mangarano II”, sy ireo mpamonjy alim-pandihizana avy ao amin’ny trano fandihizana iray ao Anjoma mamonjy fodiana no tena lasibatra amin’izany. Efa hain’ireto mpitondra “Tuc-Tuc” ny toerana misy ireo andian-jiolahy mpanendaka, dia any mihitsy ny lalany, ka raha vao manakana ireo andian-jiolahy dia ny mpandeha ihany no voaendaka fa izy mpamily na misy vola aza tsy mba alain’ireo andian-jiolahy mihitsy mandritra izany…
Malala Didier