Maromaro ihany ireo lozam-pifamoivoizana niseho tamin’iny faran’ny herinandro iny, teo an-drenivohitra sy tamin’ireo lalam-pirenena ary ireo faritra manodidina. Raha ny voaray aloha hatreto dia nisy telo ireo namoy ny ainy, ary maromaro ihany ireo naratra.
– By pass : Tovolahy maty nofaohin’ny fiara. Ny zoma hariva lasa teo no nitrangan’ity loza ity tetsy amin’ny by pass, sampanana mihazo an’i Rocade Iarivo iny. Manodidina ny 23 taona teo ity tovolahy ity ary irony mpivarotra akondro mandehandeha amin’ny kalesa irony. Voalaza moa fa nitsoaka ilay fiara nandona ary ireo olona nahita no nitondra azy tany amin’ny hôpitaly saingy noho ny dona mafy nahazo azy, dia tsy tana intsony ny ainy.
– RN7 : mpitondra biskleta voahitsaky ny fiara. Teo amn’ny PK174, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimanarivo, fokontany Andranonahoatra, Antsirabe indray ity loza mahatsiravina ity, mbola ny zoma lasa teo hatrany. Fiarabe iray avy any Antsirabe, ho any Vinaninkarena no tsy nanaja ny elanelana teo am-pisongonana, ka voasariky ny kodiarana ity lehilahy mpitondra bisikleta ity. Naratra mafy ary namoy ny ainy. Marihana fa raim-pianakaviana handeha hitady ny zanany tsy hita ity niharam-boina ity.
– RN7 : taxi-brousse nivadika, mpandeha iray maty. Mbola ny zoma teo, tamin’ny lalam-pirenena fahafito iny hatrany, fiara mpitatitra olona iray avy any Toliara hiakatra aty an-drenivohitra no nivadika teo Ambatovory, niala kely an’Ambohimahasoa. Voalaza fa tafala ny lalana ny fiara ary nivadibadika tanaty hantsana taorian’izay. Mpandeha iray tao anatin’io fiara io moa no fantatra fa namoy ny ainy, raha am-polony tany ho any kosa no naratra vokatr’izay. Azo heverina fa fandehanana mafy no nahatonga ny loza.
– Rocade Iarivo. Fiara miisa roa, nopotehan’ny fiara iray. Hiverina kely eo an-drenivohitra isika mahakasika ity loza vokatry ny fandehanana mafy ity. Omaly maraina, tetsy amin’ny lalam-baovao Rocade Iarivo, tsy lavitra an’Ankerana. Fiara kely nirimorimo avy any Ambohimahitsy avy any no tsy tafajanona intsony rehefa sendra ilay dongona fiampitan’ny mpandeha an-tongotra. Nanidina ary nivadibadika sy nifatratra tamin’ny fiara hafa tamin’ny lalana ilany. Fiara roa no potika : fiara tsy mataho-dalana iray ary taxibe iray. Marihana fa nisy ny naratra vokatr’izay, ary anisan’izay i Paolo Raholinarivo.
– Ankorondrano : Mazda nitsambikina teo « ilot de séparation ». Mbola fandehanana mafy hatrany amin’iny lalana malalaka Ankorondrano iny (route des Hydrocarbure), fiara mazda iray no nivadika sy tafatsimbadika tao amin’ny lalana ilany mihitsy ary nandona fiara roa. Taxibe iray sy fiara tsy mataho-dalana iray. Handeha ho any Antanimena tany ity fiara niharan-doza ity no mety tsy nahatazana ilay fahakelezan’ny lalana tampoka, manandrify ilay fivarotan-dasantsy teo an-toerana io. Ka io nitera-doza io.
– Ambohimiadana Andramasina : Fiarabe latsaka tao anaty rano. Ity loza ity indray dia vokatry ny olana ara-teknikan’ny fiara na tsy fitandreman’ny mpamily. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia avy nanao « chargement »-na saribao izy io ka teo am-panaovana « marche arriere » no tsy voatanan’ny mpamily ny fiara. Niihemotra ary niafara tany anaty rano, tany amin’ny 15 metatra. Loza nitranga ny zoma lasa teo.
Nangonin’i m.L