- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Fiara mpitatitra indray !

Lozam-pifamoivoizana : Fiara mpitatitra indray !

Tetsy Ambohidroa Ambohimanarina no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity omaly tolakandro. Fiara mpitatitra no nifaoka ny tambohon’ny sekoly iray teo an-toerana. Efa be loatra ny loza naterak’ireny fiara ireny ka mahatonga ny mpanjifa hametra-panontaniana maro. Tena ara-dalàna ve ny alàlana omena ny mpamily fiara fitaterana? Tena manaraka ny fenitra teknika izay takian’ny “visite” ve ireo fiara? Ireny fiara izay taxi-be na taxi-brousse eto amintsika ireny, raha ny marina, dia tsy neritreretina ny hanaovana fiara fitaterana olona mihitsy fa kosa natokana hitaterana entana. Ny teto amintsika no nanitatra ny nanisy seza sy varavaram-pitaratra ary dia lasa fiara fitateram-bahoaka izy ireny. Dia izao ny vokatra, loza etsy, loza eroa…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser