- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana mahatsiravina : Tsy ara-dalàna ny fitsirihana teknika, ho an’ny ankabeazan’ireo fiara

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina : Tsy ara-dalàna ny fitsirihana teknika, ho an’ny ankabeazan’ireo fiara

Tato anatin’ny roa volana izay, dia tsapa fa nihabetsaka ireo lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona maro tamin’ireo lalam-pirenena teto amintsika. Tamin’ireo trangana lozam-pifamoivoizana folo, isan’ny namono olona be indrindra dia fantatra araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Foibe fitsarana fiara, fa ny enina tamin’ireo niharan-doza dia tsy ara-dalàna avokoa ny fitsirihana ara-teknikan’izy ireo . Ny fiara  tamin’izy ireo dia  efa lany daty ny « visite » ary ny efatra kosa dia voalaza fa « inapte » kanefa mbola nandeha ihany. Matetika mantsy, hoy hatrany ny fanazavana dia vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika no nahatonga ny loza, ankoatra ny  tsy fitandremanan’ny mpamily sy ny tandrevaka eo amin’ny familiana moa izany. Marihana fa namoizana ain’olona 15 ireo loza nahatsiravina ireo ary nandratrana olona 96. Tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny no be indrindra, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza mazava moa ireo tompon’andraikitra, fa amin’izy ireo dia mpamono olona ireo tompona fiara mbola sahy mampandeha ny fiara tsy ara-dalàna ireo.

Fa amin’izay lafiny izay, dia nampahafantarana ny teo anivon’ny Foibe fitsarana fiara, tamin’ny alalan’ny Tale jeneraliny lefitra fa hisy ny paik’ady hapetraka, hisorohana ny tahak’izany. Izany paik’ady izany dia mifototra amin’ny fitsirihana tsirairay ireo fiara fitateram-bahoaka tsy an-kanavaka, izay natomboka tamin’ireo fiara miasa eto an-dRenivohitra izany ary hitohy amin’ireo fiara miasa manao zotra nasionaly. Manentana ny olom-pirenena rehetra ihany koa izy ireo mba hanome tànana hanafoanana izay fiara tsy tomombana ara-teknika mampidi-doza izany, kanefa mbola mandehandeha eny foana amin’ny alalan’ny fampandrenesana azy ireo avy hatrany. Na amin’ny alalan’ny antso an-tariby na amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici