Omaly efa alina dia nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Andravoahangy. Mpitondra bisikileta iray no nifandona tamina fiara. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa naila zaza niampita arabe ilay fiara ka izany no nahatonga azy handona ilay bisikileta. Potika ilay kodirandroa ary naratra vokatr’izany ny olona nitondra azy. Ny nahamaika ireo izay nahita dia ny nanatitra azy tany amin’ny hopitaly Ampefiloha. Ny mpamily fiara kosa dia afaka niantso tamin’ny telefonina ireo nomerao hitany tao amin’ny findain’ilay mpitondra bisikileta nampahafantatra ny zava-nisy.
r.s.