- Publicité -
mercredi, novembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Mpivady indray maty tetsy Andoharanofotsy

Lozam-pifamoivoizana : Mpivady indray maty tetsy Andoharanofotsy

Omaly maraina no nisehoan’ilay lozam-pifamoivoizana. Manodidina ny tamin’ny fito ora teo no nisy fiara 4X4 izay nifaoka mpivady nandeha an-tongotra teny Malaza-Andoharanofotsy. Maty tsy tsa-drano teo ilay ramatoa. Ilay vadiny kosa noezahina haingana nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy tonga tany akory dia lasa ny ainy. Rehefa nohamarinina dia vehivavy ihany koa no teo amin’ny familiana. Manam-boninahitra iray am-perinasa no vadin’izy io raha araka ny fantatra. Omaly ihany dia nosokafan’ny pôlisy ny fanadihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana nahafaty olona roa ity. Nentina teny amin’ny komisaria teny Andoharanofotsy ilay ramatoa mpamily ary torak’izany ihany koa ny fiarany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser