- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Nijery fotsiny ny olona…

Lozam-pifamoivoizana : Nijery fotsiny ny olona…

Nisy nahazo ny horonan-tsarin’ilay lozam-pifamoivoizana izay nitranga tetsy amin’ny marais Masay ny zoma teo, ka niteraka fahafatesan’ny lehilahy iray nitaingina môtô. Niparitaka tamin’ny tambanjotran-tserasera izany ka ny voamarika voalohany dia ny fijeren’ny olona fotsiny ilay naratra mafy. Io farany moa dia maty ny niafarany. Ilay môtô fotsiny no nisy nanisaka ary ilay tompony dia niala aina nojerem-potsiny teo amin’ny tany. Tsy nisy na iray akory aza mba nanao hetsika kely vonjiaina na nanakana fiara hitondràna ny marary tany amin’ny toeram-pitsaboana. Torak’izany ihany koa, nitohy hatrany ny fifamoivoizana ary nanisy “clignontant” fotsiny ny mpamily dia nandalo teo amin’ilay naratra, nanohy ny diany. Efa elaela taty aoriana vao nisy olona nitatitra teny amin’ny toeram-pitsaboana ny naratra izay efa tsy nisy aina intsony teo. Betsaka ny nanontany tena hoe : “tsy ao anaty lohan’ny olona intsony ve ny atao hoe vonjy aina noho ny hamafisan’ny fiainana?”

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici