- Publicité -
vendredi, août 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Olona enina be indray maty tao anatin’ny roa andro

Lozam-pifamoivoizana : Olona enina be indray maty tao anatin’ny roa andro

Nihoson-drà tanteraka ity voalohan’ny herinandro ity amina resaka lozam-pifamoivoizana. Tranga mahatsiravina miisa telo, samy namoizana ain’olona, ary naharatra am-polony no nitranga ny sy alahady sy alatsinainy teo. Tetsy Imerikasinina, fifandonana mahery vaika nitranga tao amina kodiaran-droa: « Bol d’or » ary « scooter ». Olona telo no maty vokatr’izay. Voalaza mantsy fa saika hanao fizahan-toerana amina resaka fifaninana hazakazaka amin’ny kodiaran-droa ilay nitondra ilay « bol d’or » ary izao tra-doza izao. Fa tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, indray dia taxi-brousse avy any Mandritsara handeha hiakatra aty an-drenivohitra no nivadika tanaty hantsana, tetsy Manerinerina, mbola ny alatsinainy teo ihany saingy ny maraina vao mangiran-dratsy. Olona roa no maty vokatr’izay ary am-polony maro ireo naratra.  Fa iray andro talohan’io, teo Ankazobe indray, dia fiara mpitatitra avy any Antsiranana no nivadika teo am-povoan’arabe ary nahafatesana olona iray. Voalaza fa vokatry ny fandehanana mafy avokoa no nahatonga ireo loza samihafa ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici