Maro ny fanentana nataon’ireo zandary sy polisy ary ireo mpiasan’ny ATT mahakasika ny fepetra mifehy ny fifamoivozana ahazoana misoroka ny trangana lozam-piarakodia talohan’ny fetin’ny Noely. Na izany aza anefa dia mbola nahatratra enina ihany ny lozam-piarakodia nitranga nanerana ny nosy nandritra iny herinandro iny, araka ny tatitra nambaran’ny Tale jeneralin’ny ATT, Rakotondrazaka Andry. Ny efatra tamin’izany taamin’ny zotra nasionaly, ny iray kosa zotra rezionaly ary ny iray tao amin’ny zotra sub urbaine. Olona efatra ambin’ny folo no maty vokatr’izany ary nahatratra 30 ireo naratra. Mbola mitohy moa ny fanaovana atrikasa, toy ny « contrôle départ », miompana indrindra amin’ny fanaraha-maso ny lafiny tekinikan’ ireo fiara fitaterana ao Ambodivona sy ny Fasan’ny karàna. Ao anatin’izany moa ny fijerena ny isan’ny mpandeha. Eo ihany koa ny fanaraha-maso akaiky ny permis sy ny amin’ny fanomezana alalana manokana, izay mazàna misy manao hosoka eo amin’ny fahazahoana azy tato ato.
Ornella A.(Stagiaire)