- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Olona roa no maty, telo hafa naratra mafy

Lozam-pifamoivoizana : Olona roa no maty, telo hafa naratra mafy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana maromaro indray ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra dia olona roa no namoy ny ainy avy hatrany teny amin’iny faritra Ambohimalaza iny, fiara tsy mataho-dalana nidona tamina kamiao, ny zoma lasa teo. Etsy andanin’izay, olona telo kosa no naratra mafy tamina fifandonana tetsy Ankorondrano, mbola ny zoma lasa teo ihany. Raha ilay teny Ambohimalaza, dia fantatra fa kamiao lehibe iray no nifandona tamina fiara tsy mataho-dalana. Araka ny loharanom-baovao dia lehilahy roa no maty teo no ho eo raha roa hafa kosa naratra mafy vokatr’izany fifandonana mahery vaika izany. Araka ny voalaza hatrany dia vokatry ny fandehanana mafy na teo amin’ny andaniny na teo amin’ny ankilany no nahatonga ny loza. Mafy dia mafy ny fifandonana raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana. Potika tsy nisy noraisina ity fiara tsy mataho-dalana ity. Teo anatrehan’izay dia voatery nosokirina tao anaty fiara ireo mpandeha tao anatiny. Ireo olona nipetraka teo aloha no namoy ny ainy avy hatrany raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny loza hatrany. Mbola miady amin’ny fahafatesana kosa ireo naratra vokatr’ity loza ity, raha ny fantatra. Araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana ihany koa dia tsy nisy naninona ireo olona tao anatin’ilay fiarabe. Efa nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo naratra. Notanan’ny mpitandro filaminana, tonga teny an-toerana kosa ny mpamilin’ilay fiara be hofotorana. Fa ankoatr’izay dia fiara iray no nidona tetsy Ankorondrano. Olona telo no naratra mafy vokatr’izany loza izany ka tsy maintsy naterina haingana teny amin’ny hôpitaly. Hatreto dia fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Tsy hay na vokatry ny fandehanana mafy ihany koa na vokatry ny torimaso fotsy, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Ny lalana malalaka dia mazàna hitrangana lozam-pifamoivoizana foana eto an-drenivohitra. Mananararaotra ny lalana migodana ka manampatra ny hafainganam-pandehan’ny fiara. Tokony hitandrina sy mailo lalandava ireo mpampiasa lalana hisorohana ny mety ho famoizan’aina amin’ireo lozam-pifamoivoizana ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser