- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana – RN7 : Salama tsara ilay ramatoa niharan-doza

Lozam-pifamoivoizana – RN7 : Salama tsara ilay ramatoa niharan-doza

Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny sabotsy teo iny lalam-pirenena faha-7 iny. Voalaza fa naratra tamin’izany ny ramatoa iray, nipetraka teo akaikin’ny mpamily.

Araka ny nambarany, omaly, dia efa salama tsara mihitsy amin’izao fotoana izao ny tenany ary tsy nahitana fahatraràna akory fa voan’ny « etat de choc » fotsiny ihany. Izay no nitondrana azy tao amin’ny hôpitaly iray teto an-drenivohitra. Nanambara hatrany ity ramatoa ity, izay mpiara-miasa amin’ilay olona tompon’ilay kamiô nivadika, fa izy no tafala voalohany tao amin’ilay kamiô. Raha tsiahivina ity loza ity dia nisy kamiô nianjera teo amin’ny tetezan’Ampitatafika, tamin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Notantarain’ity ramatoa nieren-doza ity fa efa tafiditra teo amin’ilay tetezana ny kamiôn-dry zareo no mbola nisy fiara kely nisisika ihany. Niala an’izany fiara izany ity kamiô ity ka latsaka ny kodiarana tao aoriana ka niafara tamin’ny fianjeran’ilay kamiô « remorque » tao ambanin’ilay tetezana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser