- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Roa lahy nitondra moto nodomina kamaio, maty ny iray

Lozam-pifamoivoizana : Roa lahy nitondra moto nodomina kamaio, maty ny iray

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no niseho ny maraina tokony ho tamin’ny valo ora, ny alakamisy faha 03 aprily, teo amin’ny PK4 eo Tangaina, miala kely an’i Moramanga,lalam-pirenena faha-2. Roa lahy niara-nitaingina moto avy any atsinanana no nifanena tamin’ny kamiao mpitondra solika avy any andrefana. Tsy azo nialana ny loza. Tafatsofoka tao ambanin’ilay fiara vaventy ireo roa lahy ka maty ny iray vokatry ny ratra mafy nahazo azy ary manaraka fitsaboana ny iray. Mbola samy tanora vao herotrerony avokoa izy roa lahy ireto. Manomboka eo amin’ity toerana nisehoan’ny loza ity no betsaka ireo fiolanana raha miala eto Moramanga. Manerika nandritra ny fotoana maromaro ny andro, hany ka malama ny lalana. Izany rehetra izany no tokony hitandreman’ny mpamily amin’ity RN2 ity » fa izay tonga soa ihany no arahabaina ».

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser