- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Sprinter nivadika : roa maty, efatra naratra mafy

Lozam-pifamoivoizana : Sprinter nivadika : roa maty, efatra naratra mafy

Tra-doza ny mpandeha 15 tao anaty fiara.  » Sprinter miloko fotsy » nandeha teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, mampitohy an’Ambalajanakomby sy Berivotra 5×5, ny alahady maraina tokony tamin’ny enina ora sy sasany. Namoy ny ainy ny teratany karana iray sy Malagasy iray. Olona efatra no naratra mafy. Naratra ihany koa ny mpandeha ambiny sy ny mpamily. Avy any Diego hihazo any an-drenivohitra ireto olona niharam-boina ireto. Teny amin’ny folo kilaometatra miala mianavaratra an’i Berivotra 5×5 no nisehoan’ny loza.  » Nandeha teo amin’ny tetezana antsoina hoe Ambanjabe ny fiara. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany dia noho ny fivakisan’ny kodiarana aloha no antony nisian’ny loza. Tsy tafavoaka ny tetezana sady nivadibadika avy eny ambony ny fiara. Tafatsangana ihany izy avy eo saingy toa niverin-dalana indray ny lohany tao ambany tetezana. Dimy amby folo mianaka ireo mpandeha niharaham-boina, araka ny tati-baovao avy amin’ny ben’ny tanànan’i Berivotra 5×5 nanao ny fizahana. Notaomina nankany amin’ny hopitaly ireo naratra. Tsy tana ny ain’ireo olona roa voa mafy. Anisan’ireo naratra ny mpamily ka andrasana ny fotoana mahamety amin’ny hanaovana ny famotorana. Ny zandary misahana ny fifamoivizana eto Maevatanàna no manadray an-tanana ny famotorana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici