- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Tafiakatra 30 any no maty, aman-jatony no naratra

Lozam-pifamoivoizana : Tafiakatra 30 any no maty, aman-jatony no naratra

Ny tsy fitandremana avokoa no saika nahatonga io isa mavesatra dia mavesatra io, vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Raha ny tarehimarika navoakan’ny ministeran’ny Fitaterana dia tao anatin’ny 40 andro monja, ny 03 jolay ka hatramin’ny 12 Aogositra lasa teo dia nahatratra teo amin’ny 20 teo ho eo ny isan’ireo olona namoy ny ainy, nahatratra 85 kosa ireo naratra nalefa ny amin’ny tobim-pahasalamana. Hatreo amin’io daty io ihany anefa no voaisan’izy ireo. Raha hitarina hatramin’ny datin’andro ny androany izany isa izany dia mampivarahontsana tokoa. Ny tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny fotsiny no mankaty dia nahatratra valo ireo namoy ny ainy, amam-polony maro kosa ny olona naratra. Toa izay nitranga farany teo tany Maherikery, distrikan’i Mandoto. Fiara mazda iray ho any Tuléar no nidona tamina Sprinter. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’io saingy nahitana faharatràna goavana avokoa ireo mpandeha 18. Torak’izany ihany no nitranga teny amin’ny kaominina Ambohimangakely iny, fiara Renault no nifandona tamina Citroen tetsy Ambohimangakely. Naratra ireo mpamily roa, ary nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Voalaza fa mamo ny mpamilin’ilay fiara voalohany ka izay no nahatonga ny loza. Tsy ho ary voatanisa eto avokoa ireo lozam-pifamoivoizana, nitranga etsy sy eroa, nandritra izay volana roa nifandimby izay, raha tsy hiteny afa-tsy tany Antsohihy, Ankarafantsika sy Mahitsy, izay nahafatesana olona be indrindra. Araka ny fantatra dia saika, na noho ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny ara-teknikan’ny fiara, na noho ny fahamamoana, na noho ny tsy fitandremana tsotr’izao no nahatonga ny loza hatrany. Tarehimarika mampieritreritra, isa mampivarahontsana, kanefa dia zava-misy. Iza araka izany no tokony handray andraikitra voalohany ? Iza no tokony hisaintsaina sy hitsakotsako ? Ny aina tsy hananam-piry rey olona, ary tsy adala akory ny Ntaolo raha nilaza fa lahin-tokana izy io. Aza hiandrasana an’iza na an’iza fa tokony samy tompon’andraikitra isika rehetra …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser