- Publicité -
jeudi, septembre 25, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana tao Anjozorobe : Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha nahafatesana olona 47

Lozam-pifamoivoizana tao Anjozorobe : Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha nahafatesana olona 47

Omaly no niakatra Fitsarana ilay raharaha mikasika ilay kamiao nivadika tao anaty tetezan’i Mananara ka nahafatesana  olona 47 tamin’ny 27 janoary 2017. Ity fotoam-pitsarana omaly ity izany no fanemorana faha-4 sady farany mikasika ity raharaha ity. Tonga niatrika izany ny ben’ny tanànan’Ambongamarina izay misolo tena ireo fianakaviana niharam-boina. Naka mpisolovava ihany koa ny tenany mba hanampy azy amin’ny fiarovana ny zon’ireo olona soloina tena. Nambarany fa tsy afaka hiatrika izao Fitsarana izao ireo niharam-boina noho ny fahasahiranana mbola mianjady amin’izy ireo. Maro no tsy manana fidiram-bola intsony noho ny takaitra navelan’iny loza iny. Misy 23 hatreto, hoy izy, no mbola tena mila manaraka fitsaboana nefa dia ao anaty fahasahiranana tanteraka. Tsy misy intsony ny fanampiana izay nampanantenain’ny Fanjakana. Noho izany, nilaza ity ben’ny Tanàna ity fa tsy maintsy hampakatra Fitsarana ambony raha tsy mahazo rariny eto amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany. Nambarany izany noho ny fandrenesany fa efa nisy Fitsarana nandeha mahakasika ity raharaha ity, hono, tamin’ny herinandro lasa. Niatrika izany ilay mpamily sy ny tompon’ilay fiara niharan-doza. Nilaza anefa izy fa tsy nahazo fiantsoana tamin’izany. Voalaza fa nahazo sazy an-tranomaizina 18 volana ireo voampanga tamin’io fitsarana io ary tsy maintsy handoha onitra an-tapitrisany maro. Nilaza ho tsy afa-po tamin’ny sazy navoakan’ny Fitsarana anefa ireto farany ka nampakatra Fitsarana ambony mba hampihenana ilay onitra takiana aminy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici