Tsy mbola afaka ao an-tsain’ny maro ny loza niseho tao Betafo ny alakamisy lasa teo, izay namoizana ain’olona iray sy nandratrana olona maromaro. Fantatra izao fa nitombo iray ny maty tamin’ireo naratra. Fotoana fohy taoarin’ny nahatongavan’ilay teratany karana tao Andranomadio dia tsy tana ny ainy fa nodimandry ny alin’ny nisehoan’ny loza ihany ilay raim-pianakaviana. Niezaka nanao izay ho afany ihany ny mpitsabo hanavotana ny ain’ilay teratany karana saingy noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny lohany dia tsy tana intsony ny ainy. Efa nahiana ihany ny fahafatesan’ity raim-pianakaviana ity, satria raha ny nambaran’ireo nanatri-maso dia efa nisy nipotsaka ny atidohany taorian’ny fifandon’ilay fiara. Izy mantsy no nitondra ilay Sprinter avy any Morondava niaraka tamin’ny ankohonany izay naratra avokoa. Tsy misy atahorana kosa ny ain’ireo fianakaviany na dia naratra mafy aza, araka ny vaovao voaray hatrany.
Andry N.