- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Taxi-be nifandona tamina fiara tsotra, ampolona naratra

Lozam-pifamoivoizana : Taxi-be nifandona tamina fiara tsotra, ampolona naratra

Naratra avokoa ny mpandeha rehetra tao anatin’ilay taxi-be sy fiara kely iray nifandona teny amin’ny Digue tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, nifanena ireo fiara roa ireo ary ny lohany no nifandona mafy. Araka ny filazan’ireo izay nahita dia tokony ho azo nosorohina ihany ny loza. Fantatra anefa moa fa anisan’ny làlana fandehanan’ny fiara mafy iny làlana iny. Indraindray anefa tsy voafehy ny fiara ary dia miafara amin’ny loza izay matetika amoizana ain’olona foana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser