- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : « Taxi-brousse » nivadika, olona roa namoy ny ainy

Lozam-pifamoivoizana : « Taxi-brousse » nivadika, olona roa namoy ny ainy

ACCIDENT« Taxi-brousse » mampitohy an’i Toliara sy Faradofayno niharan-doza (Koperativa MON FILS), ka namoizana ain’olona roa. Ny iray dia zaza 2 taona ary ny iray kosa  mpianatra vao afaka bac, ka namonjy fanadinana tany Toliara. Teo anelanelan’i Ejeda sy Ampanihy amin’ny toerana antsoina hoe Manakaralahy no niseho ny loza.

Niala tao Toliara ny 23 desambra ity fiarabe mpitatitra ity, izao tratran’ny loza ny alarobia maraina izao. Araka ny loharanom-baovao, vokatry ny taingim-be sy ny fahabetsahan’ny entana no nahatonga ny loza : fitondrana entana hafa (marchandises) ao ambany sezan’ny mpandeha (gony ciments, PPN) . Izany hoe sady mitondra PPN, matériaux de construction  efa lanja hafa manokana, miampy ny lanjan’ireo mpandeha sy ireo entan’ireo mpandeha any ambony tafo; izay mihoatra ny 1metatra ny haavony. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa toa efa tsy tompon’ny tenany intsony ny mpampily indraindray amin’ireny zotra ireny. Ankoatra izany, malaza amin’ny fanamparana hafainganam-pandeha ihany koa ireto fiarabe mampitohy an’i Toliara-Tolagnaro ireto, saingy izy ihany koa no mbola tompondakan’ny fatoriana an-dàlana, ka ny làlana 500km atao telo andro dia mahavelon-taraina ny maro.

Efa noresahina ny tokony hisorohana ny loza toy izao, nandritra ny “Colloque International” nokarakarain’ny CURA (Centre Universitaire Régional de l’Androy) ny 11-17 desambra teo, niarahana tamin’ny Zandarimaria Nasionaly any an-toerana.

Bebey VIRO

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser