Efa nivoaka ny toerana nitsaboana azy omaly maraina ilay mpamilin’ilay sprinter, niharan-doza ny alin’ny alatsinainy teo tetsy Andranovao Ambohimangakely. Navantana sy notazomina avy hatrany etsy amin’ny biraon’ny zandary etsy Ambohimangakely ny lehilahy, miatrika ny famotorana azy. Tetsy andanin’izay kosa dia fantatra fa tafakatra sivy ny aina nafoy tao anatin’izany loza mahatsiravina niseho izany, raha ny fampitam-baovao azo omaly. Dimy kosa ireo olona mbola manohy ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly eny an-toerana. Tamin’io fotoana io dia isan’ireo maty ny mpamily. Naratra ary tsy nahatsiaro tena fotsiny izy, nobataina ho any amin’ny toeram-pitsaboana, hoy ny fanazavana azo. Efa nifoha sy nahatsiaro tena ny lehilahy, omaly maraina ary efa nahazo fitsaboana sy afaka miatrika ny fanadihadiana raha ny voalazan’ny mpitsabo. Tetsy andanin’izay, tsy lasa lavitra ihany koa ilay resevera, izay nitsoaka taorian’ny loza, dia voasambotra. Miaraka tazomina etsy amin’ny tobim-paritry ny zandary etsy Ambohimangakely avokoa izy roalahy tompon’antoka tamin’ity loza ity. Tsiahivina fa fianakaviana mana-manjo izy ireo ary naka ity fiara ity hitondra ny razana any amin’ny fitoerany mandrakizay. Teny an-dalana niverina no niseho ny loza. Teo amin’ny toerana antsoina hoe “Holcim Bypass”, pk11 amin’iny lalam-pirenena faha-60, mampitohy ny Rn7 sy ny Rn2, teo amin’ny fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely. Raha ny angom-baovao voalohany azon’ireo mpitandro filaminana dia hoe nandeha mafy dia mafy ity fiara ity tamin’io fotoana io. Ambonin’izay dia nandray zava-pisotro nisy alikaola ary donton’izay ny mpamily, tsy nahatafajanona intsony, rehefa sendra nisy fiarabe nitarika remorque teo anoloany. Mafy ary tena mafy ny dona vokatr’izay, izay namoizana ain’olona fito, maty tsy tra-drano, izay ny sasany aza mbola nosokirina tao anaty korontam-by. Ireo zandary sy ny fokonolona teny an-toerana no nifanampy tamin’ny fisokirana ireo mbola tavela tao anaty fiara sy nitondra ireo naratra tany amin’ny tobim-pahasalamana. Niisa fito koa ireo naratra mafy tamin’io alina io saingy ny roa tamin’izy ireo izay tena voa mafy dia namoy ny ainy teny an-dalana. Ny zandarimariam-pirenena dia tsy mitsahatra ny manentana fa tsy miaraka ny familiana sy ny toaka; tokony hifananatra ny tsirairay mba hisorohana ny loza toa izao ka tsy hamela ny mpamily fiara efa hita fa mamo handray familiana; farafaharatsiny mitoroka amin’ny mpitandro filaminana raha misy izany mba handraisana andraikitra hafa; lahy tokana ny aina, anjaran’ny mpamily no miahy ireo olona izay entiny fa tsy sanatria akory hoentiny any amin’ny famoizan’aina”. Amin’ny tranga toa itony, hoy hatrany izy ireo dia voasaringotra hatrany ny andraikitry ny tompon’ny fiara, koa adidin’ity farany no mananatra sy manaramaso ny mpamily ampiasainy mba hisorohana ny sazy mavesa-danja.
m.L