- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra : 54 ireo namoizana ain’olona ary 383 ireo naharatrana

Lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra : 54 ireo namoizana ain’olona ary 383 ireo naharatrana

Niakatra avo dia avo tokoa ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra tato anatin’ny sivy volana teo izay, araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana. Nahatratra 455 mantsy izany, raha ny teto an-drenivohitra fotsiny. Voalaza fa 54 tamin’ireo loza ireo dia saika namoizana ain’olona avokoa, raha tranga miisa 383 no naharatrana. 26 kosa ireo lozam-pifamoivoizana nahasimbana fananana. Nisy araka izany ny hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, nomena ny anarana hoe « Aro loza », ny voalohandohan’ny volana teo. « Hetsika izay niarahana tamin’ny Fiarahamonim-pirenena, BAC (Brigade des Accidents), ny avy eo anivon’ny Visite technique sy ny Assurance, ary ny avy eo anivon’ny IGPN (Inspection Générale de la Police Nationale). Ny tanjona dia ny fampanarahan-dalàna ny mpampiasa lalana araka izany dia nisy ny fanakanana sy fisavana ny antontan-taratasin’ny fiara sy ny moto ary koa nisy ny fepetra noraisina ho an’ireo izay tsy nanara-dalàna. Tsy nisy kosa anefa ny sazy ara-bola, fa fampianarana sy fanentanana no natao » hoy ny vaovao. Tao anatin’izany hetsika izany no nahitàna fa tamin’ireo fiara 2684 isa nosavaina dia 1195 tamin’ireo no tsy ara-dalàna. Kodiaran-droa miisa 4201 ihany no nosakanana ka tsikaritra fa 2321 amin’ireo no tsy ara-dalàna. « Ny tsy fanarahan-dalàna mateti-pitranga indrindra dia ny tsy fanaovana aro loha, ny tsy fahampian’ny taratasina fiara na moto, ny fisiana hosoka amin’ny taratasin’ny moto, ny taingin-telo, ary ny tsy fahaizana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeny. Rehefa avy nasaina nandamina ny antontan-taratasiny moa ireo fiara sy moto tsy ara-dalàna ireo dia nalefa nandeha » hoy hatrany ny fampitam-baovao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici