- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana tetsy Andoharanofotsy: Nadoboka eny Antanimora ilay mpamilin’ilay fiara nandona môtô

Lozam-pifamoivoizana tetsy Andoharanofotsy: Nadoboka eny Antanimora ilay mpamilin’ilay fiara nandona môtô

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ilay mpamilin’ilay fiara marika « Seat », nandona sy nahafaty mpitondra môtô iray tetsy Andoharanofotsy.

Araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana dia nalefa avy hatrany eny Antanimora ity farany, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha tsiahivina tokoa ny tranga dia mpitondra môtô iray handeha hody, mpiasa eo anivona orinasa mpanonta printy iray eto an-drenivohitra no maty tsy tra-drano rehefa nodomina fiara, izay ankevitry ny mbola vaovao tokoa (mitondra laharana …WWT), teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Hamonjy ny tokatranony eny Mandriamena ity raim-pianakaviana ity tamin’io fotoana io no nifanena tampoka tamin’ilay fiara avy any Iavoloha any. Nandeha mafy tokoa ity farany, satria dia tombanana ho any amin’ny 180 – 200km isan’ora any ho any ny hafainganam-pandehany raha ny angom-baovao. Ambonin’izay ihany koa dia voalaza fa hoe mamo ilay nitondra azy ary mbola nahitàna zava-pisotro aza tao anaty fiara. Noho izay fifandonana mafy dia mafy izay dia potika tanteraka ilay kodiaran-droa ary namoy ny ainy teo no ho eo ihany ilay mpitondra azy.

Mazàna tokoa amin’ny loza hisiana kodiaran-droa sy fiara toy izao dia mby ao an-tsainy maro avy hatrany ny hoe ilay mpitondra kodiaran-droa foana no diso ka mampiditra andro ilay mpitondra fiara. Tsy voatery ho marina foana anefa. Ekena fa maro amin’ireo mpitondra kodiaran-droa no tia misetrasetra sy misangy loza indraindray saingy misy amin’ireo mpamily fiara ihany koa no minia manitsy na mandona azy ireny. Ary ny mateti-piseho dia mitsoaka izy ireo rehefa avy nahavanon-doza, indrindra raha hoe somary mangingina ny lalana na amin’ny andro maizina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici