- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Tsy misy ahiana intsony ny ain’ireo 3 naratra

Lozam-pifamoivoizana : Tsy misy ahiana intsony ny ain’ireo 3 naratra

Taorian’ny loza nahatsiravina nitranga tetsy Masay, afak’omaly, dia fantatra izao fa efa tsy misy ahiana intsony ny an’ireo olona 3 hafa naratra. Araka ny fantatra teny anivon’ny hôpîtaly dia nivoaka ny famelomana aina omaly ilay lehilahy nosikirina, tapa-tongotra omaly. Torak’izany ihany koa ilay faharoa voasikotra, izay tapa-tongotra sy tanana. Marihina fa ny mpamily, izay tsy nahitana afa tsy ratra vitsy ary mbola afaka niteny, tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, dia efa nalefa nody, araka ny vaovao voaray hatrany. Notanterahina omaly ihany koa ny « autopsie »n’ilay namoy ny ainy ary efa nomena ny fianakaviana ny razana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser