- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana : Vokatry ny faharatsian’ny fiara

Lozam-pifamoivoizana : Vokatry ny faharatsian’ny fiara

Maro loatra ny lozam-pifamoivoizana niseho tao anatin’ny volana roa izay. Maro araka izany ny aina nafoy. Raha ny tarehimarika, efa tafakatra hatrany amin’ny roapolo any. Ireo maratra mitondra takaitra tsy lazaina intsony. Eo anolon’izany, nitondra fampieritreretana ireo mpanjifa, indrindra ireo tsy maintsy mandeha fiara iraisana amin’ny lalam-pirenena. Antony roa no mahatonga izany loza izany, araka ny fantatr’izy ireo. Volaohany, tsara ny fiara ary dia alaim-panahy ny mpamily handeha mafy. Faharoa sady tena manahirana ny milaza azy, tsy tomombana tsara intsony ny fiara mandeha miasa. Vavolombelona amin’izany ity olona iray handeha ho any Mahajanga, mpikambana ao amin’ny Fifohazana avy ao Ambohinaorina Sabotsy Namehana. Nitondra fiara izy ireo. Nandeha tsara ny dia raha niala teny an-toerana. Rehefa teny amin’ny toerana antsoina hoe Ampizarankaratra, misy tetezana, tsy lavitra ny tananan’i Maevatanana. Vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ilay fiara, saika tsy afaka nidify an’ilay 4X4 nifanena taminy izy. Tsy maintsy nangalatra any amin’ny tsy tokony halehany.  Saika nivarina teny an-kady ary efa nitongilana. Nisy fahasimbana ilay fiara. Soa aloha fa tsy nisy ny naratra fa ny tahotra no betsaka tamin’ireo mpivavaka. Eo anoloan’izany, manamarika ny mpanjifa rehetra fa ny tsy fahatombanan’ny fiara matetika no mahatonga ny loza. Ny mpikarakara, etsy andaniny, matin’ny mora.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser