- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversLozampifamivoizana teo Ambatomirahavavy : Hatomboka tsy ho ela ny fanadihadiana ilay mpamily...

Lozampifamivoizana teo Ambatomirahavavy : Hatomboka tsy ho ela ny fanadihadiana ilay mpamily nahafaty mpianatra

Efa mihatsara ary tsy misy ahiana intsony ny toe-pahasalaman’ilay mpamily nitondra fiara mpitatitra mpianatra niharan-doza teny Ambatomirahavavy (RN1) ny Talata lasa teo. Tsy maintsy hiatrika ny fanadihaddiana azy izy ato ho ato raha vao mivoaka ny hôpitaly, raha ny nambaran’ny komandin’ny vondrotobim-pileovan’ny zandarimaria Itasy, ny kolonely Andriamijoro, omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny mety ho tohin’iny raharaha iny. Nahitsin’ity manamboninahitra ity arak’izany ny filazana niely tamin’ny tambazotran-tserasera (facebook) sy ny haino vaky jery sasantsasany fa hoe namoy ny ainy koa ity mpamily ity ny andron’ny alatsinainy io ihany rehefa tonga teny amin’ny hôpitaly. Nomarihiny fa na eny amin’ny toeram-pitsaboana aza ity mpamily ity dia arahin’ny zandary maso akaiky hatrany mba hialana izay mety ho fandosirany satria goavana loatra iny loza iny, izay nahafatesana ain’olona. Tsy vitan’izay fa ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary dia nahitana fa tena tompon’andraikitra tanteraka iray mpamily ilay fiara. Ity farany izay voamarina fa tsy nahitana olana ara-teknika rehefa nozahan’ny tompon’andraikitra avy ao foibe fitsarana fiarakodia eny Alarobia ny Alarobia lasa teo. Toe-javatra izay toa manamarina fa ny fandehanana mafy no nahatonga iny loza iny. Seho izay mateti-pindranga amin’iny lalam-pirenena voalohany iny ka nahatonga ny zandary ao amin’ny Vondrotobim-pileovana Itasy nanokatra hetsika hiadiana amin’ireo tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fifamivoizana nanomboka omaly.

Fanentanana. Tsapa tokoa tato hoa ato fa nitrangana lozam-pifamoivoizana matetika iny lalàna iny hoy ny kolonely Andriamijoro noho ny tsy fanarahana ny fitsipiky ny fifamoivoizana ataon’ireo mpamily. Ohatra amin’izany ny fihoharana fiara na « depassement » ao anaty fiholahana na ao anaty fiakarana. Misy ihany koa ireo mpampiasa lalana (moto, taxi-brousse, fiara vaventy) mandeha mafy loatra na misetrasetrana. Omaly ary dia nanao be midina teny amin’iny RN1 iny, ny zandary notarihin’ny komandin’ny Vondrotobim-pileovana Itasy sy ny komandin’ny tobim-pileovana Arivonimamo mba hanao fanentanana ireo mpamily amin’ny tokony hanajan’izy ireo ny lalàn’ny fifamoivoizana. Natomboka teo ambatomirahavavy izany hetsika izany. Nentanina tamin’izany ireo mpamily mba hitandrina hantrany ny lalàn’ny fifamoivoizana sy hampiasa hatrany ireo zavatra nianarana tany amin’ireny toerana fakana « permis » ireny. Nentanina ihany koa ireo fiara vaventy mba hanome làlana ireo fiara madinika rehefa tsy afaka fa ireny dia isan’ny antony mahatonga ny loza. Ankoatry ny fanentanana dia atao mandritra izao hetsika izao ihany koa ny fanasaziana ireo fiara tsy manara-dalàna toy ny tsy fahavitana « visite technique » sy ny tsy fananana assurance ara-potoana. Eo ihany koa fandraisana fepetra mikasika ireo mpamily izay mandeha mafy loatra ; ireo fiara izay ahitana kodiarana efa sola sy malama. Ankoatr’izay, nanambara ihany koa ny kolonely fa isan’ny atao eny amin’iny lalam-pirenena iny ihany koa ny fampanarahana ireo fepetra iadiana amin’ny valanaretina « COVID 19 ». Ohatra : ao anaty taxi-brousse dia tokony hisy « gèle », fanaovana « cache bouche », tokony hisoratra ao anaty manifolde ny anaran’ny mpadeha tsirairay. Raha tsy voahaja ireo rehetra ireo dia handray andraikitra ny zandarimaria ao Itasy amin’ny famaizana araka ny sazy mifandraika amin’izany. Koa manentany ny rehetra ny kolonely Andrimijoro mba hahatsapa-tena hanaraka izany fepetra rehetra izany mba hisoroana ny loza satria lahitokana ny aina ka tsy maintsy arovana. Notsipihan’ity manamboninahitra ambony ity ihany koa ny mikasika ireo moto izay mandeha mitsangatsangana any amin’ireo toeram-pialantsasatra toy ny any ampefy sy Imerintsiatosika iny. Ireny olona ireny, hoy izy, dia matetika misotro toaka rehefa tonga. Tsy mandefitra amin’ireny ny zandarimaria fa avy hatrany dia maka ny lakilen’ny moto rehefa mahita fa nisotro toaka ilay mpamily ka tsy alefa mandeha ity farany raha tsy afaka ny toakany mba hisorohana ny loza mety hitranga.

Marihina moa fa arahana fizarana takila fanentanana « prospectus » ho an’ireo mpamily izao hetsika izao ka samy mahazo ny anjara sy anatra tandrify azy avokoa ny moto, ny taxi-brousse, ny fiara vaventy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici