Nitory any Toamasina ny voalohany ary eto an-drenivohitra ny faharoa. Mahakasika izany ny fampiasam-bola tamin’ny fanatanterahana ny « projet présidentiel » ao Vatomandry. Nisy orinasa iray (antsoina hoe X mba hanamoràna ny fahazoana ny raharaha) izay nahazo ny tsenam-barom-panjakana ary naka orinasa iray hafa (Y) izy mba hanatanteraka izany. Koa satria efa nifankahalala tsara ny samy tompon’andraikitra dia nalefa ny asa ary nifanarahana fa ilay orinasa Y no mandoa ny lany rehetra ary averina ny volany avy eo, ny tombony kosa dia hifampizaràna. Nandeha ny asa ary ny nahatalanjona an’i Y anefa, vao tsy vita akory dia naheno izy fa nivoaka ny vola rehetra. Teo dia nangataka ny anjarany Y saingy ny saran’ny lany ihany aloha no naloa. Vita ihany ny asa ary nitsangana ny trano kanefa tsy azo ny vola izay tombony tokony nisasahana izany. Nanomboka teo ny fitoriana noho ny fivadiham-pitokisana sy ny fandrahonana nataon’i Y. Etsy ankilany koa anefa dia nitory i X noho ny filazàna fa nisy fanerena ny orinasa hanome vola nataon’i Y. Io orinasa farany (Y) dia mahita fa fomba handàvana ny volany ny fandrirariràna avy amin’ny alàlan’ny fitoriana. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra Y ny mba hijerevan’ny sampana miady amin’ny kolikoly toa ny Bianco ny raharaha satria marobe ary ananany porofo ny endrik’izany ao anatin’ity fanamboarana fotodrafitrasa ao Vatomandry ity. Isan’ny nanintomana ny saina tamin’izany ny fomba nahazoan’io orinasa X io ny tsenambarom-panjakana kanefa tsy manam-bola akory izy fa ny orinasa ampiasainy no manatontosa 100 % ny rehetra. Ahiana arak’izany ny fisian’ny tambajotra izay voakasika ao koa ny banky. Eo koa ny fivoahan’ny vola kanefa ny asa dia tsy vita akory fa kosa namboarina amin’ny « photoshop » ny sary dia iny no nanaovana tatitra, raha ny filazan’i Y hatrany. Mifandrirotra amin’ny fifampitoriana ny roa tonta ankehitriny ary manomboka manazava tsikelikely ny kilalao maloto anaty tsenambarom-panjakana.
D.R