- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversLycée Andohalo : Mpampianatra sy mpianatra nohenoin’ny polisy

Lycée Andohalo : Mpampianatra sy mpianatra nohenoin’ny polisy

Omaly no natao ny fanadihadiana ny mpampianatra iray sy mpianatra telo eo anivon’ny Lycée Andohalo. Ny polisy miandraikitra ny zaza tsy ampy taona no nihaino azy ireo. Nanazava tsara ny polisy fa fanarahana ny pitson’ny raharaham-pitsaràna no antony nampnantsoina ireo olona fa tsy midika akory hoe meloka izy ireo na tsia. Izany dia taorian’ny fitorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra iray fa very ny finday nampiasain-janany nandritry ny fanaovana taranja fanatanjahan-tena. Fitoriana izay tsy nanonona anarana mazava izy ireo, izany hoe « contre X ». Niteraka resa-be teto an-drenivohitra ity raharaha ity, indrindra tamin’ny tambajotra sosialy. Hatramin’ny minisitry ny fanabeazana aza dia nivoaka tamin’ny fahanginany ka naneho ny heviny mahakasika ny raharaha. « Ny diso voalohany dia ianao ray aman-dreny izay nampitondra izany ny zanakao. Ny diso faharoa dia ianao mpianatra izay nitondra azy sy nandika ny fitsipika mipetraka ao an-tsekoly. Tsy azo atao ny mitondra zavatra sarobidy any an-tsekoly. Mora ny manaraka izany » raha araka ny fijerin’ny minisitra. Nanolo-kevitra koa izy fa : « raha ilaina ny mampitondra finday ankizy noho ny fiarovana azy dia ‘téléphone portable basique’ omena azy ». Ny mpanabe maro koa dia niombo-po tamin’ilay mpampianatra voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Mahatsapa izy ireo fa tsy misy intsony ny fanomezan-danja izany mpanabe izany ankehitriny. Ny minisitera tompon’andraikitra dia nankahery ny mpanabe mba tsy hanaiky mora foana ny toe-javatra toa izao ary efa manana ny sampan-draharaha misahana ny raharaham-pitsaràna rahateo izy ireo, afaka ampiasaina amin’ny zavatra tsy rariry mahazo ny mpanabe.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici