- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLycée Arivonimamo : Vovoka fotsifotsy nanempotra mpianatra

Lycée Arivonimamo : Vovoka fotsifotsy nanempotra mpianatra

Samy nisahotaka avokoa ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny tao amin’ny lycée Arivonimamo omaly. Mpianatra avy amin’ny kilasy famaranana miisa 14 mantsy no indray nampidirina hôpitaly rehefa voapoizina tamina vovo-javatra hafahafa nisy nanaparitaka tao an-dakilasy. Araka ny fanazavàna nampitain’ny avy eo amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, dia nisy nandraraka tao amin’ny kilasin’ny TA2 tao amin’ny lycée Arivonimamo io vovoka fotsifotsy io. Ary satria efa tsy zava-baovao amina toeram-pampianarana moa ny vovoka fotsy, izay heverina avy hatrany fa vovoka tsaoka dia samy tsy nisy taitra ny rehetra. Niomana ny hamafa izany fotsiny ihany koa ireo mpianatra. Tamin’io fotoana io indrindra anefa, rehefa namovoka izany zavatra izany no nitera-doza. « Rehefa nokopahina anefa izy io dia nitarika fahasemporana ho an’ny mpianatra », hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny ministera. Nahatratra 14 ireo mpianatra sempotra tamin’izany. Samy tsy nisy nahatsiaro tena izy ireo ka nampikoropaka avy hatrany ny namany sy ireo tompon’andraikitry ny sekoly, hitondra haingana tany amin’iny toeram-pitsaboana. Rehefa nahazo fitsaboana ireto farany dia fantatra fa efa samy tsy misy ahiana intsony ny ain’izy ireo. « Efa mahatsiaro tena ny ankamaroan’izy ireo ankehitriny ». Zavatra niniana natao sa vovo-javatra simika sendra latsaka tao am-pianarana ? Miendrika fanakorontanana tanteraka izao toe-javatra izao, ho an’ireo ray aman-dreny sasantsany, indrindra mpianatra hanala fanadinam-panjakana ireto lasibatra ireto. Na izany na tsy izany anefa dia efa nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireto tompon’andraikitra. « Efa an-dalana kosa ny fanaovana fanadihadihana mahakasika io vovoka fotsy io ka mifarimbona amin’izany ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiasan’ny fahasalamana », hoy hatrany ny fampitam-baovao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici