- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLycée privé Rasalama : Mankalaza ny faha-55 taonany

Lycée privé Rasalama : Mankalaza ny faha-55 taonany

Tamin’ny sabotsy teo no nankalazaina ny faha-55 taonan’ny Lycée Privé Rasalama eny Andravoahangy Ambony. Fanompoam-pivavahana teo amin’ny tokotany malalaka no nanombohana ny fankalazana, izay narahan’ny fihetsiketsehana samy hafa. Nisy ihany koa ny fampirantiana ny tantaran’ny sekoly izay nitondra ny anarana Kolejy Rasalama tamin’izany fotoana izany. Tonga teny an-toerana ny solontenam-panjakna, nahitana ny DREN sy ny PDS ny tananan’Antananarivo. Teo ihany koa ny prezida synodaly Antananarivo Avaradrano. Amin’izoa fotoana izoa dia ny mpitandrina Randrianirinasoa Hubert no tale mpitantana ny sekoly. Notsiahivina tamin’io fotoana io fa nanomboka tamin’ny fotoana nanokafana ny sekoly dia ny pasitera Richard Andrimanajato no nitantana izany ary teo foana izy nandritra ny 41 taona. Ny taona 1959 no notokanana ny Kolejy Rasalama.

Fanombohana ny fankalazana ny tamin’ny sabotsy fa maro ny hetsika izay karakarain’ny mpiandraikitra hanamarihana ny faha-55 taona.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser