- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversLycée teknika eto Toamasina : Telo volana tsy nandray tambin-karama ireo mpampianatra « vacataires »

Lycée teknika eto Toamasina : Telo volana tsy nandray tambin-karama ireo mpampianatra « vacataires »

Miakatra ny feo eo anivon’ireo mpampianatra eo anivon’ny lycée teknika eto Toamasina ankehitriny, ny antony raharaha ny fanazavana azy dia misy karazany roa. Eo ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny tambin-karamany tamin’ny fanomanana sy fitsarana ny fanadinana teknika ny taona lasa iny, raha efa nahazo ny azy ny amin’ny sehatra fampianarana hafa; ny faharoa dia ny tsy mbola nahazoana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra “vacataires” avy amin’ny fanjakana, ity farany dia efa mahatratra telo volana no tsy nandraisan’ireo izany. Manao antso avo amin’ny minisiterany fanabeazam-pirenena izay misahana ny fampianarana teknika ihany koa izy ireo vokatra izany, satria raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana mamelom-bady aman-janaka avokoa izy ireo nefa izao tsy mahazo ny anjara volany avy amin’ny fanjakana izao. Raha ny fantatra dia 117 ireo mpampianatra sy mpanabe manodina ny sekoly eto Toamasina, ka ny 54 amin’ireo dia “vacataires” avokoa izay tsy mbola nahazo ny anjara volany ireo, nefa isan’ny manana andraikitra goavana eo anivon’ny lycée teknika sy fampihodinana ny fampianarana ao ireto mpampianatra sy mpanabe ireto. hatreto aloha dia mbola fangatahana sy fitarainana no ataon’ireto mpampianatra ireto, saingy raha misy ny be marenina mety hitranga vao hiroso amin’ny fampitsaharana ny asa izy ireo raha izay no tapaky ny be sy ny maro ao aminy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici