Ilaina fijerena manokana ny olona manana toe-batana diabetika fa tsy mitovy amin’ny olon-drehetra manana olana ara-pahasalamana. olona manodidina ny 200 no nahazo fizahana sy fitsaboana maimaim-poana avy tamin’ny lyons Club Ranovisy Antsirabe. Nisy fiaraha miasa lehibe tamin’ny AMADIA sy centre ophtamologie EZCO ny hetsika, ity farany izay mitsabo manokana momban’ny maso.
Mazava fa olona manan toe-batana diabetika sy areti-maso ireo nozahana ireo, isan’izany ny cataracte aretina mpahazo ny beantitra, ny glaucoma, rétinopathie diabétique, sns… Taorianio dia olona miisa 50 no nozaraina solomaso maimaim-poana.
Tao amin’ny ivon-toerana MUDIA (Mutuel De Diabétique) no natoa ny hetsika ny 14 Febroary 2025 lasa teo. Nifandry andalana tamin’ity hetsika ity ihany koa ny fambolen-kazo ho fikajiana ny tontolo iainana niarahana tamin’ny Lyons Club Ranovisy Antsirabe.
Tonga nanatrika ity fotoana ity ny governoran’ny faritra Vyvato Rakotovao, isan’ny mpikambana ao amin’ny Lyons Club Ranovisy Antsirabe rahateo ny tenany, notsindriny tamin’izany ny maha zava dehibe ny fitsinjovana ny fahasalam-bahoaka.
Andry N.