Dahalo telo no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana, moara maro no azo. Ireo no vokatry ny fifampitifirana nisy teo amin’ny zandary nanao sakan-dalana sy ny malaso avy nangalatra omby. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Madiroambo, fokontany Bevilany, kaominina Tsararano, disitrikan’i Maevatanàna, no nitrangan’izany ny asabotsy 23 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva latsaka kely. Araka ny tatitra voaray avy any an-toerana dia, andian-dahalo nirongo basim-borina no nangalatra omby avy any Akazoabo sy Ambatoboeny. Nidina tany Madiroambo ny zandary notarihin’ny lehiben’ny zandary ao Bevilany, nanao ny sakana. Nisy avy hatrany fifandonana teo amin’ny roa tonta rehefa nifankatazana izy ireo. Latsaka avokoa ny omby halatra miisa telo. Mbola mitohy ny fikarohana ny dahalo iray tafaporitsaka nanadritra ny fifandonana. Fa ireo omby telo kosa nampidirina valana forera ao Tsararano mandra-pahatongan’ireo tompony avy any Ankazoabo. Marihina fa eo amin’ny 25 sy 16 eo ny taonan’ireo malaso lavo ireo.
Ratantely