- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMadiromirafy tampon-tanàna : Omby halatra niisa telo nentin'ny dahalo no azon'ny zandary

Madiromirafy tampon-tanàna : Omby halatra niisa telo nentin’ny dahalo no azon’ny zandary

Ny alakamisy faha23 may 2024 teo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany mitataovovonana no nahatsikaritra dahalo telolahy nitondra omby halatra telo ny lehilahy iray antsoina hoe Iadan’i Rakôsy, izay mpamboly monina ao amin’ny tanànan’i Matsiabe, fokontan’Anjiakeky andrefana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Teo no nampilaza tamin’ny zandary tamin’ny alalan’ny antso an-tariby Iadan’i Rakôsy, rehefa tsy nahatazana azy ny malaso. Tonga dia nidina nalaky avy hatrany ny zandary roalahy niaraka tamin’ireo fokonolona avy ao Madiromirafy tampon-tanàna, satria ny toerana nahitana an’ireo jiolahy dia tsy mifanalavitra anin’ilay tanàna voalaza etsy ambony. Raha nahatsikaritra mialoha ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy ny jiolahy, dia nitari-dositra nalaky, ary navelan’ireo teo ny omby halatra. Niezaka nanenjika ihany izy ireo fa tsy tratra intsony ny malaso. Rehefa nojereana tokoa ny mombamomba ireo omby, dia tena voamarina fa halatra avokoa, noho izy tsy misy marika. Taorian’izay dia notazomina ao Madiromirafy tampon-tanàna ireo omby telo halatra mandra-pahitana ny tompony. Mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo hatramin’izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici