- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMadirovalo-Ambato-Boeny : Nirefodrefotra ny basy, omby telo vala no lasan’ny jiolahy

Madirovalo-Ambato-Boeny : Nirefodrefotra ny basy, omby telo vala no lasan’ny jiolahy

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifandonana namaivay teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona ny tapa-bolan’ny talata lasa teo, tany amin’ny kaominina Madirovalo. Vokany: omby telo vala no voaroba, saingy tsy nisy kosa ny naratra nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Nisy fanafihan-dahalo talohan’io fifandonana io tao amin’ny tanana’i Madirovalo, disitrikan’Ambatoboeny, ny tapa-bolan’ny talata maraina lasa teo. Am-polony maro ireo malaso ary nirongo basim-borona sy zava-maranitra. Noho ny tahotra sy ny havitsiana dia tsy sahy namaly ireo mponina, teo no nanaram-po ireo jiolahy noho izany, ka lasan’ireto farany ny ankabeazan’ireo omby telo vala teo an-tanàna. Taorian’io fanafihana io dia nifamory ny vatan-dehilahy izay manodidina tanàna voatafika. Nanao ny fanarahan-dia sy ny fiambenana ny kizo, izay mety hamantan’ireo olon-dratsy hanafenana ny omby ireto farany. Ny antoandron’io fanafihana io, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany teo ho eo no nifanohitra ireo mpanara-dia sy ireo dahalo. Raikitra ny fifampitifirana, nitsoaka nandositra rehefa tsy nahatosika  ny fokonolona ireo dahalo sy ny omby nentiny. Tsy nijanona hatreo moa fa mbola mitohy ny fikarohana ireo dahalo tafatsoaka.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici