Telo lahy izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanaparitahana ireto vola sandoka, tany amin’iny faritra Boeny iny, saingy ny iray no tratra tao Madirovalo, ny talata lasa teo. Ireo tantsaha any an-toerana no ataon’izy ireo lasibatra. Anisan’izany ity rangahy iray nivarotra omby tamin’ireo olon-dratsy ka sendra vola sandoka aman-tapitrisany maro.
Nitaraina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary ao Madirovalo moa ity tompon’omby avy any Andavakoera ity. Marihana hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa vola mitentina teo amin’ny enina hetsy sy iray tapitrisa ariary teo ho eo no nanambazan’ireto olon-dratsy an’ity tantsaha ity ho takalon’ny ombiny anankiroa. Nanaiky izany ilay rangahy, nihevitra ny nahazo tombony betsaka angamba, kanjo dia izao tratry ny tsy nampoizina izao. Nogiazan’ny zandary avy hatrany moa ireo vola sandoka ireto ary natao ny fitadiavana ireo telo lahy voalaza ho nanaparitaka izany. Nandritra ny fikarohana sy ny fanadihadiana dia ny iray tamin’izy ireo ihany no tra-tehaka. Nambaran’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary hatrany fa mbola nahitàna vola mitentina eo amin’ny 33,000 ariary, vola sandoka avokoa tany amin’ity lehilahy ity. Ireo namany kosa dia mbola karohina fatratra any an-toerana. « Efa fantatra avokoa moa ny mombamomba azy ireo » hoy hatrany ny vaovao. Azo heverina, fa tsy ireo ihany no vola sandoka naparitak’ireto olon-dratsy tany amin’iny faritra iny fa efa maro. « Entanina ny mponina ao anatin’ny faritra Boeny (Beseva, Amboanio, Andavakoera Madirovalo, Marosakoa, Ambatoboeny…) mba ho mailo hatrany » hoy hatrany ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenana. Ary iangaviana izay mahatsikaritra toe-javatra mampiahiahy na hafahafa mba hampandre haingana azy ireo na izay tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana akaiky. Mampatsiahy hatrany moa ireto farany, fa « mahavoasazy ny fanamboarana sy ny fitazonana ary ny fampiasàna vola sandoka ».
m.L