- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMadriomirafy-Maevatanàna : Dahalo miisa 16 nandrava omby 113

Madriomirafy-Maevatanàna : Dahalo miisa 16 nandrava omby 113

Nirefodrefotra tahakan’ny afomanga ny basy napoakan’ireo dahalo miisa 16 lahy nanao fandravana tanàna ny folakandrony 29 Desambra 2023 lasa teo iny. Tany amin’ny toerana antsoina hoe: Ankara, fokontany sy kaominina Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’ny fanafihana sy fangalarana omby miisa 113 tao am-bala, ka tsy nasahy nihetsika ny mponina tany an-toerana nanoloana ny feom-basy nanakohako eran’ny tanàna nandritra izany. Efa ho antsasakadiny taty aoriana vao samy nifamory ny vatan-dehilahy no niantso Zandary an-tekefaonina nalaky izy ireo mba hanao ny fanarahan-dia, ka efa hadiva ho hariva ny andro no nifankatratra tamin’ny mpanara-dia ny malaso. Vao nahatazana azy ireo anefa ny jiolahy tonga dia niparitaka nitari-dositra avokoa. Vokany: Omby miisa 110 no tafaverina amin’ny tompony, raha ny telo tamin’izany kosa novonon’ireo malaso. Velom-pisaorana tamin’ny fihetsika mendri-piderana nataony Zandary sy ny vatan-dehilahy ny mponina sy mpitondra any amin’ny kaominina ambanivohitra Madiromirafy. Marihana fa tsy nisy kosa ny aina nafoy sy naratra nadritra ny fanafihana fanafihana natoan’ny jiolahy na mialoha na taoriana, saingy mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia ataony mpitandro ny filaminana an’ireo dahalo tsy mataho-tody.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici