Manao sesilany ny tsy fandriam-piahalemana ary sahiran-tsaina ihany koa ny vahoaka ato amin’ny disitrikan’i Maevatanana. Na eo aza ny ezaka ilofosan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny asan-jiolahy mahazo vahana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ankehitriny, dia tsy mahasakana ny fanafihan-jiolahy etsy sy eroa, ka manjaka tokana ireo tsy mataho-tody amin’ny fanatanterahany asa-ratsiny. Nitondra faisana vao tsy ela akory ny tany amin’ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, izay nahaverezana omby am-polony maro tao amin’ny fokontany Bekapila. Mbola tsy hita popoaka ny omby hatramin’izao. Sao ihany fa tsy nisy naratra sy ny aina nafoy nandritra ny zava-niseho. Tapa-bolana lasa ihany koa izay no nahitana fanafihan-jiolahy ihany koa ny fokontan’i Mavoroy, any amin’ny kaominina Maevatanana faharoa, izay nahafatesana zazalahikely vao 10 taona nokapain’ny dahalo tamin’ny famaky. Mitar-idositra eto Maevatanàna an-tampon-tanàna ireo filoham-pikontany sy ireo vahoaka sasany any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa noho ny tahotra sy fisorohana ny fifofoana ny ainy. Ka manoloana izany indrindra no manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra ambony mba hijerena akaiky sy hitadiavana vahaolana maharitra amin’izay lafiny tsy fandriam-piahalemana any amin’ireo kaominina ambanivohitra roa izay volaza etsy ambony.
Ratantely